Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 21:21-26 Malagasy Bible (MG1865)

21. Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.

22. Ary nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin'ny lalan'i Jehovah.

23. Ary ny mpanompon'i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.

24. Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an'i Josia zanany hisolo azy.

25. Ary ny tantaran'i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

26. Ary nalevina tao amin'ny fasany tao amin'ny sahan'i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 21