Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 19:18-27 Malagasy Bible (MG1865)

18. ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato; ka dia azony nosimbana.

19. Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin'ny tànany, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.

20. Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia, nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia efa nohenoiko.

21. Koa izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina: Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.

22. Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.

23. Ny irakao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona, ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina; dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka.

24. Izaho no nihady ka nisotro rano vao niseho, ary ny faladiako no handritako ny ony mbamin'ny lahin-drano rehetra any Egypta.

25. Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho, ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato ianao.

26. Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no mangaihay izy; efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano, ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.

27. Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 19