Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 15:34-38 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony.

35. Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah.

36. Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

37. Tamin'izany andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda.

38. Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 15