Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 15:14-21 Malagasy Bible (MG1865)

14. Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.

15. Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.

16. Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.

17. Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy.

18. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely.

19. Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema.

20. Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany.

21. Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 15