Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 14:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda.

2. Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.

3. Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony.

4. Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona.

5. Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.

6. Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona.

7. Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany.

8. Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 14