Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 12:11-19 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.

12. Ary ny vola voalanja dia natolotr'ireo ho eo an-tanan'ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin'ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon'i Jehovah

13. sy ho amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.

14. Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny volafotsy nampidirina tao;

15. fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin'ireo nanamboatra ny tranon'i Jehovah.

16. Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.

17. Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, fa an'ny mpisorona kosa izany.

18. Ary tamin'izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an'i Jerosalema koa izy.

19. Ary Joasy, mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 12