Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 10:5-17 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.

6. Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.

7. Ary nony efa tonga tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i Jeho tany Jezirela.

8. Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.

9. Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?

10. Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.

11. Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.

12. Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian'ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,

13. dia nifanena amin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin'i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.

14. Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.

15. Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.

16. Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.

17. Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 10