Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 1:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.

12. Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.

13. Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.

14. Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.

15. Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.

16. Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.

17. Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.

18. Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 1