Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 4:30-39 Malagasy Bible (MG1865)

30. sy Betoela sy Horma sy Ziklaga

31. sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.

32. Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,

33. ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

34. Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,

35. ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,

36. ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia

37. sy Ziza, zanak'i Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia, zanak'i Simry, zanak'i Semaia;

38. ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin'ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.

39. Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 4