Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 4:20-31 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.

21. Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;

22. ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.

23. Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany.

24. Ny zanakalahin'i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,

25. dia Saloma no zanakalahin'i Saoly, Mibsama no zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i Mibsama.

26. Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.

27. Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.

28. Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala

29. sy Bila sy Ezema sy Tolada

30. sy Betoela sy Horma sy Ziklaga

31. sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 4