Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 4:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.

2. Ary Reaia, zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.

3. Ary izao no avy amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran'ny anabaviny,

4. ary Penoela, rain'i Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata, razamben'ny any Betlehema.

5. Ary Asora, razamben'ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.

6. Ary Nara niteraka an'i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.

7. Ary ny zanakalahin'i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.

8. Ary Hakoza niteraka an'i Anoba sy Zobeba ary ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.

9. Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

10. Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny.

11. Ary Keloba, rahalahin'i Soha, niteraka an'i Mehira, rain'i Estona;

12. ary Estona niteraka an'i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.

13. Ary ny zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia Hatata.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 4