Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 29:17-30 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.

18. Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;

19. ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.

20. Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.

21. Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.

22. Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.

23. Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.

24. Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka.

25. Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.

26. Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra.

27. Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.

28. Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.

29. Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany,

30. mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 29