Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 29:11-17 Malagasy Bible (MG1865)

11. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.

12. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.

13. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.

14. Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

15. Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.

16. Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.

17. Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 29