Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 24:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;

2. fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.

3. Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.

4. Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.

5. Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.

6. Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.

7. Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,

8. ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,

9. ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,

10. ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,

11. ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 24