Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 23:30-32 Malagasy Bible (MG1865)

30. ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,

31. ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.

32. Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 23