Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 23:19-31 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.

20. Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.

21. Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy.

22. Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo.

23. Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.

24. Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.

25. Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.

26. Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.

27. Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.

28. Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,

29. ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,

30. ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,

31. ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 23