Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 15:16-25 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary ireo lehiben'ny Levita dia nasain'i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin'ny fifaliana.

17. Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia;

18. ary naman'ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.

19. Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.

20. Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin'ny Alamota.

21. Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika.

22. Ary Kenania, lehiben'ny Levita, no tonian'ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.

23. Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

24. Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.

25. Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 15