Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 14:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.

2. Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.

3. Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.

4. Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona

5. sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta

6. sy Noga sy Nafega sy Jafia

7. sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 14