Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 12:9-18 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,

10. Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,

11. Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,

12. Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,

13. Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.

14. Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.

15. Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

16. Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.

17. Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.

18. Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 12