Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 12:18-27 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.

19. Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.

20. Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.

21. Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.

22. Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.

23. Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:

24. Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

25. Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.

26. Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.

27. Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 12