Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 8:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela

5. ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.

6. Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.

7. Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.

8. Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.

9. Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.

10. Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah.

11. Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,

12. ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;

13. ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 8