Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 4:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tany amin'ny Isiraely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nandeha ny Isiraely hiady tamin'ny Filistina ka nitoby teo anilan'i Ebenezera; ary ny Filistina kosa nitoby tany Afeka.

2. Dia nilahatra ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; ary rehefa raikitra ny ady, dia resin'ny Filistina ny Isiraely, ka nahafatesany tokony ho efatra arivo lahy ny miaramila nilahatra tany an-tsaha.

3. Ary rehefa tonga tany an-toby ny olona, dia hoy ny loholon'ny Isiraely: Nahoana no, namely antsika teo anoloan'ny Filistina Jehovah androany? Andeha halaintsika avy any Silo ho eto amintsika ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, ka raha tonga eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika.

4. Dia naniraka nankany Silo ny olona haka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny maro, Izay mipetraka amin'ny kerobima; ary tao Silo, teo amin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra, izy mirahalahy zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa.

5. Ary rehefa tonga teo an-toby ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nihoby mafy ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia nanako ny tany.

6. Ary rehefa ren'ny Filistina ny hoby, dia hoy izy; Inona re izany hoby mafy any an-tobin'ny Hebreo izany? Ary fantany fa tonga ao an-toby ny fiaran'i Jehovah.

7. Dia raiki-tahotra ny Filistina ka nanao hoe: Andriamanitra no tonga ao an-toby. Ary hoy koa izy: Mahita loza isika! fa tsy mbola nisy toy izao.

8. Mahita loza isika! Iza no hamonjy antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny kapoka rehetra tany an-efitra.

9. Mahereza, ary aoka hitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao hanompo ny Hebreo ianareo tahaka ny nanompoany anareo; misehoa ho lehilahy ianareo, ka miadia.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 4