Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 31:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

2. Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.

3. Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.

4. Ary hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.

5. Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 31