Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 29:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny Filistina dia namory ny miaramilany rehetra ho ao Afeka; fa ny Isiraely kosa nitoby teo anilan'ny loharano ao Jezirela.

2. Ary ireo andrianan'ny Filistina nandroso nitarika ny miaramilany isan-jato sy isan'arivo; fa Davida sy ny olony kosa nandroso teo aoriana niaraka tamin'i Akisy.

3. Ary hoy ireo andrianan'ny Filistina: Haninona moa ireto Hebreo ireto? Ary hoy Akisy tamin'ireo andrianan'ny Filistina: Tsy io va no Davida, mpanompon'i Saoly, mpanjakan'ny Isiraely, ilay tatỳ amiko elaela ihany izay, ary tsy hitako izay tsininy hatrizay nialany niandany tamiko ka mandraka androany?

4. Dia tezitra taminy ireo andrianan'ny Filistina ka nanao taminy hoe: Avereno ihany ilehio ho any amin'ny fonenany izay efa nomenao azy, fa aza avela hidina hiaraka amintsika hiady izy, fandrao ho tonga fahavalontsika raha miady; fa amin'inona no hahazoan'io sitraka amin'ny tompony? Tsy amin'ny lohan'ireto olona ireto va?

5. Tsy io moa no Davida, izay nandihizany sy nanaovany hira mifamaly hoe: "Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?"

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 29