Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 25:14-31 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.

15. Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.

16. Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.

17. Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.

18. Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.

19. Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.

20. Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.

21. Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.

22. Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.

23. Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.

24. Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.

25. Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.

26. Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.

27. Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.

28. Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.

29. Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.

30. Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,

31. dia tsy ho alahelo na ho nenina amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 25