Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 24:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin'ny batery fiarovana tany En-jedy.

2. Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.

3. Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony tany amin'ny vatolampin'ny osi-dia.

4. Ary tonga teo amin'ny valan'ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin'ny zohy.

5. Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.

6. Nefa nony efa vita izany, dia namely an'i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin'ny kapôtin'i Saoly,

7. ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.

8. Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.

9. Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an'i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin'ny tany Davida ka niankohoka.

10. Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan'olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 24