Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 23:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an'i Keila ka mamabo ny ao amin'ny famoloana.

2. Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin'i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.

3. Ary hoy ny olon'i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin'ny miaramilan'ny Filistina?

4. Dia nanontany tamin'i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.

5. Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.

6. Ary raha nandositra nankany amin'i Davida tany Keila Abiatara, zanak'i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.

7. Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.

8. Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 23