Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 20:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.

8. Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?

9. Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.

10. Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao?

11. Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.

12. Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,

13. dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 20