Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 2:7-16 Malagasy Bible (MG1865)

7. Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.

8. Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.

9. Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.

10. Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.

11. Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.

12. Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.

13. Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,

14. dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.

15. Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.

16. Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 2