Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 17:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.

2. Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny Filistina.

3. Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.

4. Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany

5. Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.

6. Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.

7. Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.

8. Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.

9. Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 17