Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 16:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho.

2. Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho.

3. Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.

4. Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?

5. Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra.

6. Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany.

7. Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.

8. Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 16