Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 14:45-52 Malagasy Bible (MG1865)

45. Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.

46. Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.

47. Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.

48. Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy.

49. Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala.

50. Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.

51. Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.

52. Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 14