Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 14:31-39 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.

32. Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.

33. Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.

34. Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.

35. Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.

36. Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.

37. Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.

38. Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?

39. Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 14