Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 9:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao,

2. dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona.

3. Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko.

4. Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,

5. dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

6. Fa raha miala amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany,

7. dia hofongorako tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an'ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin'ny firenena rehetra;

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 9