Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 7:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.

2. Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.

3. Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.

4. Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.

5. Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 7