Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 6:26-37 Malagasy Bible (MG1865)

26. Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.

27. Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.

28. Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.

29. Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.

30. Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.

31. Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.

32. Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.

33. Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.

34. Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.

35. Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.

36. Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.

37. Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 6