Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 3:25-28 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany.

26. Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.

27. Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.

28. Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 3