Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 21:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.

2. Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.

3. Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.

4. Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.

5. Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?

6. Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin'i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 21