Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 2:4-6 Malagasy Bible (MG1865)

4. mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

5. Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.

6. Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 2