Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 17:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.

2. Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:

3. Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 17