Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 11:35-43 Malagasy Bible (MG1865)

35. fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.

36. Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.

37. Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.

38. Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.

39. Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.

40. Ary Solomona nitady hamono an'i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin'i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin'i Solomona.

41. Ary ny tantaran'i Solomona sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Solomona va izany?

42. Ary ny andro nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.

43. Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 11