Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 1:2-10 Malagasy Bible (MG1865)

2. izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina,

3. ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,

4. ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika,

5. Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;

6. ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -

7. ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

8. Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.

9. Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,

10. dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Romana 1