12. Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
13. Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
14. Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
15. Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery
16. sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
17. Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
18. Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
19. Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
20. Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.
21. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.