1. Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
2. Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
3. Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
4. Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
5. Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
6. Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
7. Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
8. Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.