Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 8:35-39 Malagasy Bible (MG1865)

35. Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

36. Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).

37. Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.

38. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

39. na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Vakio ny toko manontolo Romana 8