Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 7:11-24 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy.

12. Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.

13. Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna.

14. Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.

15. Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.

16. Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.

17. Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.

18. Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.

19. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.

20. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.

21. Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.

22. Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;

23. nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.

24. Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?

Vakio ny toko manontolo Romana 7