Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 6:5-20 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany;

6. fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.

7. Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.

8. Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;

9. ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

10. Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.

11. Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.

12. Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;

13. ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.

14. Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.

15. Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

16. Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?

17. Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;

18. ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.

19. Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.

20. Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.

Vakio ny toko manontolo Romana 6