Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 4:17-25 Malagasy Bible (MG1865)

17. araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.

18. Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).

19. Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,

20. ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra

21. ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.

22. Dia nisaina ho fahamarinany izany.

23. Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,

24. fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika tamin'ny maty,

25. Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.

Vakio ny toko manontolo Romana 4