Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 3:13-22 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);

14. Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);

15. Ny tongony mimaona handatsa-drà;

16. Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;

17. Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);

18. Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).

19. Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,

20. satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.

21. Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,

22. dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,

Vakio ny toko manontolo Romana 3