Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Romana 12:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.

12. Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.

13. Miantrà ny olona masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.

14. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

15. Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.

16. Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

17. Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra.

18. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

19. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).

20. Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).

21. Aza mety ho resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.

Vakio ny toko manontolo Romana 12